© CCVS et Marcel Lecoufle
   
 
  Ny anarany dia nalainy avy amin'ireo mpivahiny matin'ny hetaheta ka nisotro ny rano voatahiry tao amin'ny rantsany. Noho ny maha-tsy tantera-drano azy sy ny fahafahany mitazona hafanana, ny ravinala dia ampiasaina amin'ny fanaovan-trano nentim-paharazana : ny tafo sy ny rindrina amin'ny sampany, ny gorodona amin'ny vatan-kazo. Ny fampiasana azy amin'ny fanaovana fanaka any an-tanan-dehibe ary ny fanindihana ny amin'ny hanamboarana trano kely fanao amin'ny zaridainam-panjakana dia eo an-dalana izao. Toy izany koa ny tetik'asa momba ny fanaovana tanin-jana-kazo monisipaly.