|
 |

© CCVS et Marcel Lecoufle |
 |
|
|
 |
 |
|
|
Tsy nanana ny bibikely mpamindra vovoboniny voajanahary intsony ny vanilla planifolia, rehefa nampidirana sy nambolena teto (tany) an-toerana ka ny fambolena azy dia nitaky fampitsaihana ataon'ny tanan'olombelona. Afaka 8 volana dia mipoitra ny " gousse " na pepa ary mbola avela volana maro eo amin'ny tahony alohan'ny hiotazana sy handomana azy anaty rano mangotraka ary hanamainana azy. Ny fofony sy ny halavan'ny pepa no mametra ny hatsarany. Ny lavanilan'i Bourbon no be mpitia indrindra ary koa no lafo indrindra : Ny lavanila maitso 1 kilao dia ahazoana lavanila maina 250gr. Hatramin'ny taona 1924 dia efa mpanondrana lavanila lehibe indrindra eran-tany i Madagasikara.
|
|
|
|