|
Ny fitsimohan'ny voana orkide.
Fitsimohana eo amin'ny toerana misy holatra mamelona ny orkide. Kely dia kely ny voana orkide ka afaka aparitaky ny rivotra saingy raha tsy manana tahiry izy dia tsy afaka hitsimoka irery. Tamin'ny taona 1904 i Noël Bernard, mpahay siansa frantsay no nanazava fa holatra madinika dia madinika amin'ny tany no ilaina indrindra amin'ny fitsimohan'ny voana orkide izay velominy.
Orkide sy holatra, "symbiose" na fifamelomana mahavariana.
Rehefa lehibe ny orkide dia mifandray akaiky amin'ny holatra amin'ny tany aniriany ary mameno ny fakany. Ny fakany izay itoeran'ny holatra no antsoina hoe : " micorhyze ". Samy mahita ny tombontsoany ny tsirairay ao anatin'ity fifamelomana ity, ny tsiratsiraky ny holatra ao anaty fakan'ny orkide no maka ny rano sy ny raha mineraly ao anaty tany izay ilain'ny orkide. Ny holatra kosa maka ao amin'ny fakan'ny orkide ny môlekiola-na karbôna : siramamy sy vitamina izay tsy amboariny. |
|
 
|
|