Plantes menacées       L'essence de provence       Orchidées    
 
 
 
  Tany nampanantenaina araka ireo mpandinika ny zavamaniry sy ny biby ary ny mineraly.
" Toa mahagaga ny fivoaran'ny natiora teto, toerana nampiasainy fomba hafa fa tsy voatery nanarahany ny ohatra tany amin'ny toeran-kafa. Hita eto isaka ny mamindra ny zavatra tena tsy ampoizina sy mahavariana tokoa. "
Taratasin'i Philibert Commerson ho an'i Jérôme de Lalande, manam-pahaizana momba ny kintana ary mpikambana Akademian'ny mpanjaka momba ny siansa, tamin'ny 18 avrily 1771.
160 tapitrisa taona lasa izay dia nikambana tamin'i Afrika sy i India i Madagasikara. Rehefa niala taminy izy dia lasa toerana mangingina voaro misy ny karazana tsy hita intsony any amin'ny toeran-kafa. Nandritra ny 90 tapitrisa taona ny biby sy ny zavamaniry avy any Gondwana dia lasa nihazatra tamin'ny toerana samihafa sady nihamaro karazana. I Madagasikara no manana ny ampahany be indrindra eran-tany amin'ireo karazana tsy misy afa-tsy ao aminy ihany.


Nosy iray lehibe noho i Frantsa ao amin'ny ranomasimbe Indiana.
Eo afovoan'ny ranomasina ary nifanenan'ny mpifindra monina avy tamin'ny faritra atsimon'i Azia sy i Afrika ary toerana nampivelarany miaraka ny fahaizana momba ny zavamaniry. Tamin'ny taon-jato faha-16 i Madagasikara dia lasa fijanonana lehibe ho an'ny varotra " épices " na zavamanitra fanao amin'ny nahandro.
 


  Madagasikara

  Orkide
mariky ny biodiversite
  Miteraka indray
na dia sarotra aza
  Fampivadiana
ny orkide
 
 
  version francaise