Plantes menacées       L'essence de provence       Orchidées    
 
 
 
  Orkide mariky ny biodiversite.
Ny ankamaroan'ny orkiden'i Madagasikara izay fianakaviana lehibe indrindra amin'ny zavamaniry manerana ny Nosy dia " épiphyte " na zavamaniry mivelona eo ambonin'ny zavamaniry iray hafa. Ny tetikala, ny fitrandrahana vato, ny fanimbana ny ala no handrava ny toerana voajanahariny ka handringana ny bibikely mpamindra vovobony. Maro ny karazana orkide toy ny orkide mainty (Cymbidielle facigera) ary ny orkide mpanjakan'i Madagasikara (Eulophiella roempleriana) no tandindomin-doza. 16 hektara no rakotra ala voajanahary tamin'ny taona 50, toerana voajanahariny tokony harovana, ary tsy misy intsony afa-tsy 9 na 10 tapitrisa ankehitriny.


Vitsy sy sarobidy ny orkide.
Tonga tany Angletera tamin'ny taona 1730 ary miparitaka any amin'ny zaridaina mikasika ny zavamaniry manerana ny Eoropa ny orkide avy any amin'ny tany hafa. Vitsy izy ireo sady sarobidy. Tsy maintsy niaritra ny dia sy ny fiikarakarana mbola mikaviavia izy ireo. Tojo haingana koa ny fitiavan'ireo mpankafy ka manangona azy sy ny mpahalala ny momba ny zavamaniry. Ny fampitomboana azy anaty trano fitaratra sy eny an-jaridaina ary ny fambolena azy amin'ny alalan'ny fototra mampaniry ny zavamaniry, fa tsy miaraka amin'ny lahimbony sy ny vavimbony, amin'ny toerana voatokana tsy misy mikrôba no hahafahana mamboly azy miaraka marobe mba tsy hakana azy ireny intsony any amin'ny toerana voajanahary fa manimba azy.
 


  Madagasikara

  Orkide
mariky ny biodiversite
  Miteraka indray
na dia sarotra aza
  Fampivadiana
ny orkide
 
 
  version francaise