Plantes menacées       L'essence de provence       Orchidées    
 
 
 
 
Ny fanakambanana karazany roa samihafa no hahazoana taranaka manana toetra vaovao : fitambaran'ny lokon'ny lahimbony sy ny vavimbony nahazoana azy, ny raviny na ny voninkazony hafa bika, mahatohitra kokoa ny aretina, karazany mamokatra kokoa. Ny zafindraony dia nahafahana nanao fanakambanana anarivony tsy hita eny amin'ny natiora. Ny fambolena in vitro na fambolena amin'ny alalan'ny fototra mampaniry ny zavamaniry, fa tsy miaraka amin'ny lahimbony sy ny vavimbony, amin'ny toerana voatokana tsy misy mikrôba dia namaha ny olana amin'ny famazana voany izay tena kisendrasendra eny amin'ny natiora ary izany no mahavitsy ny fitsimohan'ny voany.

Fambolena in vitro.
Mifanohitra amin'ny selam-biby, ny selan-javamaniry dia mitazona foana ny fahafahany manamboatra zavamaniry iray vaovao ; sela iray dia mety hahazoana zavamaniry iray. Ny fampiasana toeram-pambolena mahavokatra dia hahazoana mampitombo isa ny zavamaniry iray amin'ny alalan'ny selan-javamaniry vitsivitsy. Ny zavamaniry azo avy eo dia zavamaniry " clone " manana fototarazo mitovy taneraka.
 


  Madagasikara

  Orkide
mariky ny biodiversite
  Miteraka indray
na dia sarotra aza
  Fampivadiana
ny orkide
 
 
  version francaise