Plantes menacées       L'essence de provence       Orchidées    
 
 
 
 
Miteraka indray na dia sarotra aza.
PMampiasa tetika samihafa ny orkide hanintonany ny bibikely mpamindra vovobony mba hamindra ny vovoboniny. Ny soimanga, vorona malagasy no mamindra ny vovobonin'ny orkide karazany Satyrium rehefa mihinana ny mamim-bony vokarin'ny voninkazo izy. Mamoaka fofona mahery ny Stanhopea graveolens hanintona karazan-dalitra kely ankafizin'ny hala ary avy eo indray ity hala ity no tsaingohin'ny soy mpamindra vovobony. Ny vitsika voasariky ny mamimbony avoakan'ny orkide no miaro azy amin'ny bibikely sy ny fahavalo hafa. Ny vahatra mifampidipitry ny Gongora sy ny sarina vodin-javamaniry poakatin'ny Myrmecophyla tibicinis no ataon'ny vitsika tranony. Amin'ity fifandraisana ity dia samy mahazo tombon-tsoa ny roa tonta, ny orkide manome fonenana sy sakafo ny vitsika miaro sy manao ny famindram-bovobonin'ny zavamaniry mpampiantrano azy.

Fifampiankinana amin'ny bibikely mpamindra vovobony.
Ny fanaovana mamim-bony sy ny famoahana fofona mitovy amin'ny " phéromone "-n'ny bibikely indraindray no isarihan'ilay voninkazo ny bibikely sy ny vorona hanao ny famindram-bovobony. Mamoaka " phéromone " ny orkide Leporella fibriata hanintonany ny lahim-bitsika Myrmeca urens hamindra ny vovoboninkazo. Tsy misy bibikely hafa ankoatra azy tonga mamindra ny vovoboninkazo. Io fifampiankinana io dia mety hiafara amin'ny fitomboany miaraka izay hahitana ny voninkazo sy ny bibikely manao asa mifamaly mba hahafahany mivelona.
 


  Madagasikara

  Orkide
mariky ny biodiversite
  Miteraka indray
na dia sarotra aza
  Fampivadiana
ny orkide
 
 
  version francaise